<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.R. Palmer</author>
<lyrics>[V1]
 Jeso, Mpanjaka Malaza,
 No Tompo Mpanjakanay ;
 Mahery sy tsara indrindra,
 Ka Izy no Aronay.
 Mendrika hankalazaina
 Noho ny heriny ;
 Eran-tany sy lanitra koa
 Ny zo aman-dazany :
 Ry Tompo, Mpanjaka
 Mahery ô ! Mihainoa !
 Avy manaiky tokoa izahay
 Fa Tompon'ny hery rehetra
 Hianao,
 Tsy misy mihitsy ny toa Anao
 Tsy tratry ny saina ny herinao
 Ny fiderana izay entinay,
 Raiso re ! Raiso re !
 Ny haja atolotra Anao etý.
 Raiso izao !

[V2]
 Tompo, Mpandahatra hendry,
 Mpanao izao rehetra izao,
 Ny zara sy tendry ataony
 Dia tsara sy mahasoa ;
 Mendrika ny hoderaina
 Ny fandaharany ;
 Atolory ho Azy ny saotra,
 Fa Izy tandrifin'io :
 Ry Tompo, Mpanjaka ..sns.

[V3]
 Tompo, Mpanjaka Tsitoha,
 Kanefa be indrafo ;
 Deraina eram-po eran-tsaina,
 Deraina mandrakizay ;
 He ! ny mpanompo voavonjy,
 Samy mihoby hoe :
 &quot; Haleloia, ho amin'ny Avo,
 Fa Jeso no Tomponay ! &quot;
 Ry Tompo, Mpanjaka ..sns.</lyrics>
<title>Jeso, Mpanjaka malaza FFPM171</title>
<hymn_number>171</hymn_number>
</song>